<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>466</hymn_number>
<title>Ry Jeso o ! ry Jeso o ! FFPM466</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ô !
 Ny fonay tia Anao,
 Ka manomàna anay izao,
 Ho any aminao :
 Fa sambatra avokoa
 Izay tonga ao aminao ;
 Izahay maniry koa
 Ho eo ankilanao.

[V2]
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ô !
 Ampionao izahay
 Hihevitra ny lanitrao
 Izay hodianay :
 Fa sambatra ..sns.

[V3]
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ô !
 Maloto izahay
 Tsy mendrika ny lanitrao,
 Diovinao izahay :
 Fa sambatra ..sns.

[V4]
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ô !
 Ny fahavalonay
 Mamely ny fanahinay,
 Reseo, fa rafinao :
 Fa sambatra ..sns.

[V5]
 Ry Jeso ô ! ry Jeso ô !
 Sao reraka izahay
 Miandry ny hodianay,
 Tohanonao 'zahay :
 Fa sambatra ..sns.</lyrics>
</song>